Raiko ô, izaho sy ny otako,
tsy mendrika ny hiantso ny Anaranao,
Ry Raiko ô, ity fo vatoko,
tsy mba mahay mamela heloka ny namako
Ry Ray ô ny avonavona ato am-poko jereo,
sy ny toetrako izay tia sehoseho
Fa feno fitiavam-boninahitra ato amiko,
Raiko ô, menatra aho
Anio raha hiantoraka Aminao aho Ray ô,
mangorakoraka ny foko te hihaona Aminao
Mivalo aho, mibebaka Aminao ry Tompo,
fa tsapako ny hadisoako, vonjeo re ry Ray
Raiko ô, izay asa vitako
sy ireo izay nataon’ny tanako
Ry Raiko ô, tsy mba nisaorako
na niderako ny Anaranao, ry Raiko ô
Ry Ray ô, ny aina sy ny saina nomenao ahy,
sy izay momba ahy, ny fo sy fanahy
Tsy haiko ny nahatsiaro fa tena avy Aminao,
Raiko ô menatra aho
Anio raha hiantoraka Aminao aho Ray ô,
mangorakoraka ny foko te hihaona Aminao
Mivalo aho, mibebaka Aminao ry Tompo,
fa tsapako ny hadisoako, vonjeo re ry Ray
Ещё видео!