TONONKIRA
Hijanona ianao sa handeha ihany ve?
Ambarako anao fa tsy tantiko e
Isika anie tsy afaka miady e
Tsikitsikinao, tsikitsikiko ihany
Hirahiranao, kalokaloko ô
Alahelona, ranomasoko ihany
Fitiavanao, fitiavako ô
Izay tsisy any aminao, mba misy any amiko any
Izay tsisy any aminao, mba misy any amiko any
Azafady, azafady, Iray làlana ihany fa tsy afaka hiady
Iray làlana ihany fa tsy afaka hiady
Tsy naharitra ianao fa nandao ihany
Taratasy napetrakao nampitomany
Tsy naharitra ianao fa nandeha foana faona ho aho
Taratasy napetrakao nampitomany
Nofinofinao, nofinofiko ihany
Hirahiranao, kalokaloko ô
Alahelonao, ranomasoko ihany
Fitiavanao, fitiavako ô
Izay tsisy any aminao, mba misy any amiko any
Izay tsisy any aminao, mba misy any amiko any
Azafady, azafady, Iray làlana ihany fa tsy afaka miady
Iray làlana ihany fa tsy afaka miady
Nandalo, nandalo teny ihany aho
Nandalo nandalo dia niandry aho
(Nandalo nandalo dia niandry anao aho)
Iray lalana isika sy anao
Te ahita anao aho
Ещё видео!