Tafaray samy tia - Randrantelo (Lyrics gasy) est une video lyric (tononkira/parole) gasy 2021 de "Tafaray samy tia " par Randratelo
Merci pour votre visite 🤍
✔Hira: Tafaray samy tia - Randrantelo
[ Ссылка ]
✔ Disponible sur Facebook:
[ Ссылка ]
Tafaray samy tia - Randrantelo (Lyrics)
Raha miombona ny olon-droa,
Dia mifanome teny
Fa na ho ratsy na ho soa
Dia ho azy ihany ireny
Ireny maraina mibaliaka
Ary koa ireny lanitra rakotra
Tsy ahoany ny hatsiaka satria ny fo afaka hifandrakotra.
Ôôôh,
REF:
Izay no tafaray,
No tafaray samy tia
Izay no tafaray,
No tafaray samy tia
Raha toa ny ratsy mandroso tsy akin-jery
Dia hifaoka izay efa najoro.
Tsy hiaiky ho lavo fa hanao an-kery
Hanarina ty fo torotoro.
Ôôôh,
REF:
Izay no tafaray,
No tafaray samy tia
Izay no tafaray,
No tafaray samy tia
Raha ny hambom-po tsy mahasoa
Dia tsy omeny fahefana
Fa iray saina iray fo
Ka ny mifanazava no hany lalàna.
Raha misy olona miadaladala
Te handrodana ny hasambarana
Isika roa tsy hisalasala handroaka
Ity fahavalo ikambanana.
REF:
Izay no tafaray,
No tafaray samy tia
Izay no tafaray,
No tafaray samy tia
🇲🇬 Malagasy miara-tafita no tanjona ✊🏽 🇲🇬
Contact: madalyrics2.0@gmail.com
Ещё видео!