TSY MISY TOA ANAO
#karaokegasy #gasykaraoke #hiramalagasy
Tononkira - Paroles - Texte - Lyrics
Ny andro iray tsy maha eto anao
mahatonga ahy hihira
Fa iza moa no mety toa anao
raha mbola olon-tiana
Ny tantaram-piainako samirery
sy ny vavam-bahoaka tsy miery
Fa dia indro ianao ry tiana
tena tsapako ny fonao
Fa ts'isy toa anao ! Tsy misy toa anao
Tsy misy toa anao ! Fa ianao, ianao irery
Fa tsisy toa anao, raha mbola fitia e
Fa zovy n'iza n'iza tsy mahavita e
tsy mahavita toy ny ataonao
Ny foko rehefa nahazo anao
tsy mila olon-kafa
Ny rehetra rehetra izay nataonao
am-poko tsy voafafa
Fa mba zovy no mahavita toa ireny
Tsy holazaiko fa aoka ho ahy samirery
Iza moa no antenaiko
amin'izay rehetra mitia
OM-GUY - NY AINGA
Ещё видео!