Ma première chanson Malagasy que nous avons appelé Samy Tia. J'espère que vous apprécierez. -Anjee.
Paroles:
Efa ela aho no naniry
Teny mamy kely avy aminao
Zaho mihevitra sy miheritreritra
Fa ianao koa ty ahy
De tsaroko isika roa irery ihany
Mifampiarahaba indriandray
Te hanoy ny resaka aminao anie aho
Nefa menatra aho tsy sahy
Isan’andro aho, matsiaro anao
Isan’ora miheritreritra
Ny mba ahita anao foana aho
Ref:
Fijerinao ihany
Sy ny fihetsikao de,
Milaza fa tia,
Na de tsy miteny aza anao
Henoko midoboka ny foko
Rehefa ianao miresadresak’iny
Aminy namako sy ny olom’patatro
Mankarary ny aiko ery
Isan’andro aho, matsiaro anao
Isan’ora miheritreritra
Ny mba ahita anao foana aho anao
![](https://i.ytimg.com/vi/MP5f4Dbc-9o/maxresdefault.jpg)