manindrona marary, miely any anaty ny ngidy tsy tanty,
toa pozina mahery mahafaty
nilofika ifotony, ilay raozy menan'ny fanantenana,
nitsahana tsy nisy fihantrana
inona no tsy ampy, inona no nihoatra?
fa tojo fiainam-pitia tena mafy, nanina loatra e?
voaheloka hisazy, tsy fantatro hoe ahoana
angamba voasoratra ho fanalana azay
mandefitra eny foana e..
REF:
ny nandrandraina ho masoandron'ny ho avy
nivadika kitroka be nampanavy
ireo sisam-pitia kely tsy lany
no hany tatazana avy any
ny sento lava manaraka eny ihany
reraka resy ontsa tomany
mihalalina ny maso, kotsan'alahelo ireo takolaka roa
ambivotra ny famoizam-po
raha tonga ny fiantsoana, andaozana ity tany, tany fijaliana
ataovy tononkira ho rakitra any aorina
![](https://s2.save4k.ru/pic/MmReWFLJqQg/maxresdefault.jpg)