Fanentanana momba ny « Autisme » anaty fiara fitateram-bahoaka sy ny zotra reziônaly
Mitohy hatrany ny fanentana ny olompirenena amin’ny fampahafantarana ny « Autisme » eto Madagasikara. Misy fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny « Autisme Madagascar » izay ho entina manatanteraka izany.
Nandritran’ny valan-dresaka natao ho an’ny mpanao gazety tetsy amin’ny foibeny, etsy Mahatony Soavimasoandro no nanambaran’izy ireo fa fiara 90 mandeha amin’ny zotra reziônaly sy miasa amin’ny kaoperativa 163 sy 194 no anombohana ny hetsika ao anatin’ny herintaona.
Tanjona ny ampahafantarana ny olana sedrain’ireo olona « autistes » izay manjifa ireny fiara iraisana ireny. Natao izany mba hiadiana amin’ny fanilikiliana mianjady amin’izy ireo.
Ещё видео!