A/C André Titys 1966
TONONKIRA
Aza manadino
Ny hafatro fihino
Tsarovy 'zao teny izao
Na lasa aza ianao
Ho takon'any ho any
Ho tsinjoko eto ihany
Tsy ny elanelan-tany
Manakona antsika
Ts'inona akory izany
Ny zavatra efa vita
Mipetraka ho tantara
Miandry izay anjara
Satria, satria ny teny 'zay nomena
Ny teny izay nomena
Dia teny man-jina
Ho antoky ny ao aoriana
Satria, satria ny zavatra nekena
Ny zavatra nekena
Dia mipetraka ho dina
Ho antoky ny fifaliana
Raha sendra sembana aza
Dia sahiko ny hilaza
Fa ny lanitra ao ambony
Hitahy antsika hatrany
Raha mbola eto ihany
Raha mbola velona eto an-tany
![](https://i.ytimg.com/vi/dRJU2uVHA58/mqdefault.jpg)