#Ndondolah sy #Tahiry #RENDEZ_VOUS
Hira taloha miaraka @ Lola be sy Noely kely
Hatsiarovako manokana ny fahazazana ity hira ity ary nampiomehy ahy tamin'izany ka hatramin'izao.
Indro ny tonony:
Andraso kely , andraso fa ho avy
Andraso fa tratry ny “embouteillage”
Andraso kely fa ho avy aho ry malala
Hamihina anao, ianao re aza miala
Hitako ihany ilay olon-tiako
Hitako fa tsy very anjara aho anio
Andraso fa hiantoraka aminao aho
Sy hanoroka raha toa ka sitrakao
Rehefa Hiaraka toa tsara izany andro
Rehefa hisaraka toa maloka masoandro
Andraso fa hiantoraka aminao aho
Sy hanoroka raha toa sitrakao
![](https://s2.save4k.ru/pic/quBMKwdWM6Y/mqdefault.jpg)