FENOY TOMPO
Jocelyn RANJARISON
1- Nitady zava-tsoa tsy nahavoky aho
Toy ilay vehivavy naka rano
Kanefa nomen i Jeso toky aho
Hahazo ny madio manganohano
Fiverenana:
Fenoy Tompo mitafotafo
Ity siny izay nomenao ahy
Fa miredareda toy ny afo
Izany hetahetan'ny fanahy
2- Tsy vitsy ireo izay mbola mankamamy
Ireo zava-tsoa nomen ny tany
Kanefa re mba tiako loatra
Ny hisantatra ny fiainana any ankoatra
3- Ry namako izay mbola mitady
Fiadanana tsy ho doria
Ho reraka ianao hiady
Raha tsy mandray an'i Jesoa Kristy.
Ещё видео!